Niteny tamin'ny vavan'ny mpampinany Andriamanitra taloha fa taty aoriana dia tamin'ny alalan'ny Zanany Lahitokana. Tsy mora ny fiantefan'ny Tenin'Andriamanitra : velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, miteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy. I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Lehibe ny hery sy tanjaka raketin'ny Tenin'Andriamanitra ka mahatonga izany ho fiankinana sy hery ho an'ny Eglizy sy ho an'ny zanany ary koa ho herin'ny finoan'izy ireo, ho sakafon'ny fanahiny, ary ho loharano tsy mety ritra. Ivon'ny Soratra Masina rehetra ny Evanjely, noho izy ireo manambara ny porofo ambony indrindra momba ny fiainana sy momba ny fampianaran'ny Teny tonga nofo. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Tokana ihany ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao satria efa hatramin'ny andron'ny Aôstôly ary tsy miova tamin'ny lovam-pampianarany ny maha tokana ny drafitr'asan'Andriamanitra ao amin'ireo Testamenta roa ireo noho ny tandindona raketiny. Mifototra indrindra amin'ny fanomanana ny fahatongavan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao ny fitantanam-pamonjena ao amin'ny Testamenta Taloha. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Azo avahana ho roa ny hevitenin'ny Soratra Masina dia ny hevitra ara-bakiteny, izay iankinan'ny hevitenin'ny Soratra Masina rehetra, ary ny faharoa dia ny hevitra ara-panahy, izay mitsinjara ho telo ka ny hevitra an'ohatra sy ny ara-moraly ary ny hevitra ara-tandindona. Lovam-pampianarana avy amin'ny Apôstôly no nahatonga ny Eglizy hahay hanavaka ny Soratra Masina tsy maintsy noraisina ho Tenin'Andriamanitra. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...