Ny fitiavana fotsiny ara-nofo dia endrika iray manalavitra sy manamaloka ny fahazoana ny hevitry ny Fitiavana marina. Misy ny mety alaim-panahy hilaza fa ny lafiny ara-nofo no tena porofo sy fisehoan'ny fitiavana ambony indrindra. Ny fitiavana ilàna tambiny ihany koa manosika ny olona hanimba ny tokony ho fandraisana ny Fitiavana marina. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Tsy vitsy no mieritreritra fa ny firotsahana amin'ny sehatry ny pôlitika no lalana ahazoana ny voninahitra sy ny fahefana. Ny olona tia voninahitra sy liam-pahefana dia mihidy ho an'ny tenany samirery, fa mampiasa ny olon-kafa mba ho amin'ny tombontsoany. Ny tena ilaina dia ny fahafahana mandray fepetra manoloana ny tranga vaovao atolotry ny fiainana. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fomba fiteny. Ny fitiavan-karena dia avahana mazava tsara amin'ny fampiasana ny vola ho toy ny fomba hahazoana fifaliana sy hiatrehana ny tena zava-misy eo amin'ny fiainana. Tena loza ny fiheverana fa ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana dia ny vola. Maro ny zavatra tsy azo vidiana amin'ny vola. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...