Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13

Mankalaza ny fetin'i Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista, ny Fiangonana anio, ka mampahatsiahy antsika ny fomba fiasan'i Kristy, izay mifidy olona mandrakariva hiara-miasa aminy ; eny fa na ireny heverin'ny fiaraha-monina ho tsinontsinona, mpanota toa an'i Matio ireny aza : "Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota". Ny fiantsoan'i Kristy an'i Masindahy Matio ity ny manambara amintsika fa lehibe lavitra noho ny fahotana sy ny kilemantsika ny famindram-pon'Andriamanitra, indrindra raha manaiky ny sitrapony isika, izany hoe manaiky hibebaka, hiala amin'ny fahalementsika. Diniho anie ny fihetsika nataon'i Matio, rehefa nantsoin'i Jesoa hanaraka azy izy dia tsy nisalasala nandao ny zavatra rehetra, niala tamin'ny mahazatra : izay ilay fibebahana. Tadidio àry, fa te hiara-miasa amintsika mandrakariva i Kristy, ary tsy noho ny fahamendrehantsika no iantsoany antsika fa noho ny famindram-pony sy ny fitiavany. Koa aza mihevitra ny tenanao ho lavorary toa ireto Farisianina ireto àry, fa manàna fanetren-tena tahaka an'i Masindahy Matio, ka manaiky hotsaboin'i Kristy, hositraniny amin'ny fahotantsika.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...