01 aprily — Teraka tao Châteauneuf-sur-Isère tamin'ny taona 1053 i Masindahy Hugues. Pretra tao Valence teo amin'ny faha-20 taonany izy fa tamin'ny taona 1080 kosa izy no notendrena ho eveka tao Grenoble.

1 avrily 2025 — Talata, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy— Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra; amereno ny hafaliana avy amin’ny vonjinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 1-3a. 5-16)

31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.

31 marsa 2025 — Alatsinainy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 43-54)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...