Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: "Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy." Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: "Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...