Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. Nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana izy. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika izy ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo : "Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy". Nony avy nilaza izany izy, dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy : "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy : "Raha ianao re no naka Azy, tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy". Dia hoy i Jesoa taminy : "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe : "Rabóný!" (Izany hoe Mpampianatra). Hoy i Jesoa taminy : "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny Raiko Aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin'ny Andriamanitro sy Andriamanitrareo!" Dia lasa i Maria Madelenina ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe : "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...