Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe: "Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy. Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray; samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy. Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa. Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa; fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa, nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany. Dia nanatona ilay nandray talenta dimy, nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe: "Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe: "Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko, ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho." Dia hoy ny tompony taminy: "Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hataoko mpitantana ny be ianao: miaraha mifaly amin’ny tomponao." Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe: "Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao, fa mijinja amin’izay tsy namafazanao, ary manangona amin’izay tsy nanahafanao, ka natahotra aho, dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao; koa indro averiko aminao ny anao." Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe: "Ry mpanompo ratsy sady kamo, fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho, ary manangona amin’izay tsy nanahafako; koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako, ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany. Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo; fa izay manana no homena, ka hanam-be izy, fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza. Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify."

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...