Ny fototra niavian'ny teny malagasy dia maro, niainga tamin'ireo asa-karoka isan-karazany. Ny teny malagasy dia misy ifamatorany amin'ny zava-boary, ary tsy kisendrasendra izany, miainga amin'ny fiheverana malagasy ; ohatra ny hoe "mila ravinahitra", eo koa ireo voambolana hanondroina ny olona " hazon-damosina, ravin-tsofina, laingon-tarehy, tendro-molotra, voa maso...".  Mifandray ny teny malagasy sy ny riba : ny fisian'ny tenim-pihavanana no mampiavaka ny teny malagasy izay teny tsy mivatambatana. Ny tantara sy ny jeografia dia isan'ny manamarina ny fisian'ny loharano maro niavian'ny teny malagasy ; ara-tantara teo amin'ny frantsay sy ny anglisy, ara-jeografia dia toerana heverina ho seranana i Madagasikara ka tafiditra teto ny tenim-pirenena maromaro.

Ny fizaran-taona dia miatomboka amin'ny  lohataona ary miafara amin'ny ririnina, misy fizarana efatra. Samy manana ny anjara asany ny lahy sy ny vavy amin'ny fikarakarana ny vary ; ohatra fady ho an'ny vehivavy indrindra ny bevohoka ny mamoaka vary avy ao an-tsopitra na lava-bary fa midika hoe manala zaza izany. Misy fomba fandrahoam-bary telo eto madagasikara : vary ampango na vary maina, vary sosoa na sabeda, vary fao na vary mifangaro ananana na ovy na zavatra hafa. Ny vary sosoa no tena entin'ny ntaolo nifampizarana noho ny hafaliana mba ho sosoa manantena, hitohizan'ny soa sy ny tsara. Samy hafa ny ranon'ampango sy ny rano-vola, ity farany dia tsy fahita any an-trano fa eny an-tsaha...

Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...

Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...