Alahady 21 febroary 2021 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 12-15

Nanomboka ny karemy isika tamin’ny alarobian’ny lavenona teo, ary alahady voalohany amin’izany karemy izany ity alahady ity, ka manomboka miakatra tsikelikely mananika ny Paka isika mianakavy, mirona tsikelikely manomana ny fototry ny finoantsika dia ny Paka, fankalazana an’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona ; koa meteza ho entin’ny Fanahin’Andriamanitra hamakivaky tany efitra, toa an’i Jesoa ao amin’ny Evanjely, hiombona anjara amin’ny fijalian’Izy Tompo. Satria io Fanahy io no hany afaka mandonaka ny tany sy hampamokatra azy, dia ny fiainantsika olombelona izany. Fa toy ny tany efitra, tany hay, tsy misy rano na zava-maniry, fa maina ny fiainantsika lavitra an’Andriamanitra ka mila ny fitodihantsika any Aminy. Koa izao karemy izao natao hanampy antsika ny amin’izany, hamelombelona amintsika ny finoana ka hitodiantsika amin’Izy Andriamanitra bebe kokoa sy hiverenantsika Aminy. Mitaky fibebahana izany, ka manova ny toetra ratsy mahazatra na koa hoe miala amin’izany no marimarina kokoa, ho amin’ny toetra mendrika sy lavorary kokoa mba hahafahantsika mandresy toa Azy Kristy amin’ny fankalazana ny Paka. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia tsy maintsy miady isika amin’ireo kilema mpahazo antsika, amin’i Satàna sy ny forongony, toa ny nahazo an’i Jesoa ka ho afaka handresy toa Azy no tanjona.

Maro ny fakam-panahy : misy ireo mpaka fanahy fa misy koa ny alaim-panahy. Misy ny mpandresy fa misy koa resy. Ny lavony no ratsy indrindra. Tsy maintsy toherina izy. Amin’ny fomba ahoana ? Tsy hoe andosirana, fa atrehina, toy ny nataon’i Jesoa fa tsy manaiky ampiesoniny. Finoana mafy orina no entina manohitra azy. I Kristy banjinina dia handresy mandrakariva. Aza malaky manangana saina fotsy, toy ny ataon’ireo resy an’ady fa ny sainan’ny mpandresy hatrany atsangana dia ny finoana mafy orina izany. Matetika anefa voa roa toy ny voalavo isika ka sady “voa” no “lavo” izany no ratsy indrindra. Raha sanatria tojo an’izany isika dia aoka hiarina haingana, fa tsy hivarilavo eo : ka hibebaka, sy hikonfesy. Fotoana tsara ibebahana izao. Koa aoka isika ho toa an-dRatsarameva ka sady “meva” no “tsara”, izany no tena sahazan’ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Mazava mantsy ny toriteny nataon’i Jesoa tany Galilea sy mbola lazainy amintsika amin’ity alahady ity : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely". Aoka tsy ho afaka an-tsaintsika izany, koa alao hery àry. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...