Ry kristianina havana, sabotsy ny andro, dia mahatsiaro manokana an’i Masina Maria isika mianakavy, ilay Reny nanatri-maso ny fijalian-janany, ary niara-namakivaky taminy ny lalana mankany Kalvery. Reny, niaina ny fanenjahana, fiafiana, ranomaso sy fanalàm-baraka, nanomboka tamin'ny nanaovany hoe « ENY » teo anatrehan’ny Anjely, nitazona ny teny nomeny ka nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho famonjena antsika olombelona.
Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.
Ry kristianina havana, tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika amin’izao fotoana izao. Ny karemy raha faritana dia mipetraka amin’ny andry telo lehibe: ny vavaka,ny fifadian-kanina, ny asa fitiava-namana. Ny karemy ihany koa dia fotoana iray hanasana antsika hiaina lalindalina kokoa ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, araka ny hafatry ny Papa François ho an’ny karemy tamin’ny taon-dasa.
Ry kristianina havana, rentsika matetika ary tsianjery ho an’ny ankizy mihitsy aza ny hoe "manomboka amin’ny alalan’ny alarobian’ny lavenona ny karemy", ary "maharitra 40 andro". Ny zavatra hita sy tsapa dia miezaka ny isam-piangonana sy ny fikambanana masina mikarakara sy manomana an’ity fotoan-dehibe ho an’ny fibebahana ity, mba hiainan’ny kritianina isan-tsokajiny sy amin’ny salan-taonany avy : na ny kely na ny lehibe an’izany Karemy izany.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco