Ny 21 febroary no andro nofaritan'ny UNESCO hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Nanomboka tamin'ny taona 2000 no nanombohana ny fanamarihana izay atao isan-taona. Ny lohahevitra dia ny hoe : Fampiasana teknolojia amin'ny fampianarana mifototra amin'ny fiamaroan'ny teny : fanamby sy soa fanararaotra. Ny fitsipi-pitenenana dia adika amin'ny teny frantsay hoe "grammaire", ary ny fitipi-panoratana dia "orthographe". Ny teny dia fitaovana ampiasaina hifandraisana ao amin'ny firenena iray, fa ny fiteny dia ny fomba hanehoana ilay teny izay misy isam-paritra...
Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.
Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco