Ny fiarahaba "Arahaba tratry ny taona" no nisy talohan'ny "arahaba nahatratra ny taona". Ny Malagasy sy ny tatsinanana dia manana fomba fiheverana ny tontolo "tamberina tsy manampahataperana" ka manana hevitra hoe isika olombelona dia mizotra sy mivelona fa ny taona no miodina mandalo antsika noho izay dia ny "taona" no mahatratra antsika. Ny anarana "famantaran'andro" no nisy talohan'ny "famantaran'ora", izay fitaovana entina hamantarana ny fizotry ny andro. Ampiasaina ny voambolana hoe "MIKASIKA" rehefa voatondro mazava izay voakasika, "MAHAKASIKA" kosa raha zavatra ankapobeny. Sedraina ho voambolana tandrify ny "DRÔNE" ny hoe "SIDISIDINA" noho ny toetrany sy ny fomba fampiasana azy... 

Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa... 

Ny kabary dia isan'ny fitaovana fampitam-baovao ; santiona vitsivitsy : kabarim-panjakana (didy sy lalàna, fakana miaramila, fantaminana fanjakana, fanapahan-kevitra...) ny Kabarim-pokonolona (dina, asa iombonana ...), kabarim-panambadiana (fanatanterahana fomba...). Zava-kanto vita amin'ny teny ny kabary, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hain-teny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenena. 

Ny fanagasiana tsy nahomby noho ny paika tsy ampy nentina niatrika azy. Manan-danja amin'ny vahaolana momba ny fanagasiana ny fanagasiana ny toe-tsaina satria ny faharesen-dahatra anaty dia tombony lehibe hafahana mifototra amin'ny fampiasana ny teny malagasy. Maro no mihevitra fa olona mahay raha mahay teny vahiny. Tsara ny manamarika fa ny teny dia vata fitahirizana ny kolontsaina. Mba hanamorana ny fanagasiana dia ny fametrahana lalàna mikasika ny fampiasana ny teny malagasy sy izay rehefa maha malagasy no atao vaindohan-draharaha...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...