Ny Ampanjaka Toera dia mpanjakan'ny Sakalavan'ny Menabe, mpanjaka farany nialohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Isan'ny Ampanjaka nahery fo izy, izay nanohitra ireo mpanjanaka tamin'ny taona 1896. Ny taona 1897 no notafihan'ireo irak'i Jeneraly Gallieni, tao Ambika ny Ampanjaka sy ny vahoakany ary naripaka izy ireo ; notapahin'izy ireo ny lohan'ny Ampanjaka. Nentin'ireo mpanjanaka any ivelany ny lohany (KABESO) ka ao amin'ny Musé de l'homme ao Paris, ankehitriny...

Ny iray volan'ny teny Malagasy dia niatomboka tamin'ny 2 andron'ny teny Malagasy vao tonga amin'izao faharetany izao. Ireto telo ireto no novoizina hatramin'izay : ny teniko, ny taniko ary ny tantarako. Latsa-danja kokoa ny tantara hatramin'izay, fotoana hanandratana ny tantara izao ka ny tantaran'i Ratsitantanina, izay printsy avy eto Madagasika dia santionany. Ratsitantanina dia taranak'Andriamasinavalona, ny rainy dia Andriamambavola. Mpanolontsaina matsilo an'Andrianampoinimerina i Ratsitantanina, Mpitaritafika ihany koa izy...

Ho fanandratana ny "Teny Malagasy" dia ankalazaina isaky ny volana JONA ny iray volan'ny teny Malagasy, tompo-marika amin'izany ny Foibe momba ny teny an'ny Akademia Malagasy. Ny ohabolana sy ny famoronana no voizina amin'ity taona 2025. Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Tsy mifidy taona na sarangan'olona ny famoronana ohabolana. 

Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia mety ho fehezan-teny tsoa-tokana na mifamaly rafitra, indrindra ara-kevitra, hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Mbola azo atao ny mamorina ohabolana ankehitriny rehefa hatarafana ireo fepetra voalaza etsy aloha. Manomboka amin'ny sakan-jaza no miakatra dia afaka manao izany ohabolana izany...

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...