Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...

Ny famoràna dia lanonana lehibe faharoa aorian'ny fandroana tamin'ny fomba malagasy. Ny famoràna dia fomba iray hampidirana ny zazalahy ho ao anaty fiaraha-monina. Ny taona hanaovana ny famoràna dia matetika isa tsy ankasa ary ny fahafito taona no betsaka manao. Ny "FITO" moa dia ahitana foto-tony hoe "ITO", midika hoe tapaka ; maro ny voambolana hilazana ny famoràna any amin'ny Faritra  toy ny hoe savatse, sambatra, laza... Misy dingana maromaro amin'ny famoràna : mivaky volo, mifehy voatavo, mitohy temitra, mampaka rano... Misy dikany avokoa ireo karazana fitaovana hampiasaina amin'ny famoràna, natao mba hofirariana ny hasoa sy hatsara ny fiainan-ko avy ho an'ilay zazalahy...

Ny teknôljia dia fitaovan-tserasera fampiasa ankehitriny, izay faritana ho fampahalalana amin'ny alalan'ny kajy mifototra amin'ny rafimpamantarana roa loha "langage binaire". Maro ireo voambolana amin'ny teny malagasy azo ampiasaina amin'ny lafiny teknôlôjia : efijery, banky angona... Ny sikidy dia fampahalalana ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray. Ny sikidy dia fomba efa nisy hatramin'ny ela ary hita taratra ao anaty baiboly.  Ny voa avy amin'ny hazo fano no fanaovana sikidy ary ny hazo fano no narafitry ny olona ao anatin'ny baiboly ho taberinakila tamin'izany andro izany. Ny mpisorombe ihany no mahazo misikidy araka ny voalaza ao amin'ny baiboly, misy heviny ny ORIMA sy ny TOMIMA.

Ny angano dia lahabolana malagasy ambava. Ny angano dia manana ny mampiavaka azy eo amin'ny : Voalohany ny endriny ivelany ahitana ilay fanombohana "Indray andro hono ...  Fahiny ela be hono... Fahagolan-tany hono... ; faharoa ny mitatitra trangan-javatra ; fahatelo ahitana mpandray anjara lasitra : mahery fo, mpanampu, mpanohatra... ; fahaefatra ny fisian'ny zava-mahagaga ao aminy ; fahadimy fihafaran'ny toe-javatra ka ny ratsy fanahy tsy maintsy voasazy na voahitsy ary ny tsara fanahy mahazo valisoa. Ny angano dia tsy fitantara amin'ny andro maraina na antoandro fa amin'ny hariva alohan'ny ora fisakafoana. Ny arira dia angano misy fototra, azo antokoa ho marina tany am-boalohany fa efa niova be ihany ka tsy azo inoana araka ny tarehy isehoany ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...