♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...

♦ Nandefa hafatra manokana ho an'ny mpiara-miombona antoka ao amin'ny Fifandraisan'ny mpiara-belona, i Mgr Fulgence Rabemahafaly, ka nanentana ny rehetra mba hahay hampiasa izany fitaovana izany mba tsy hahalefy ny fihavanana eo amin'ny olombelona sy Andriamanitra... ♦ Nanentana ny rehetra hanao am-pinoana ny famantaran'ny hazofijaliana, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankazalazana ny fetin'ny Trinite Masina, sady nankalazana ihany koa ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo...

♦ Tontosa ny alahadin'ny Pantekôty lasa teo, ny faha-50 taonan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana any Rôma, ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny Ankizy... ♦ Nankatoavin'ny Papa François omaly ireo Décrets hirosoana amin'ny fanandratana ho olomasina an'i Carlo Acutis sy i Mompera Joseph Alamano, ary ny Vondrona Fransiskanina iray, martiry tany Damas tamin'ny taona 1860...

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...