• Miharatsy hatrany ny tontolon'ny demôkrasia eto Madagasikara hoy ny antoko TEZA. Tsy misy intsony ny fahafahana maneho hevitra sy ny fitakian-jo ho an'ny olom-pirenena. Isan'izany hoy ny filoha nasiônaliny ny zava-nitranga tao Vatomandry sy ny tany Antsiranana...
  • Nijojo ny orana teto an-drenivohitra omaly takariva. Nitohy hatramin'ny alina. Hahazo vahana hatrany izany oram-pahavaratra izany hatramin'ny faran'ity herinandro ity hoy ny météo Madagascar...
  • Zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny Fanjakàna sy ny Firaisamonim-pirenena hamahàna ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara. Nivory nandinika ny momba izany teto an-drenivohitra ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny fananan-tany...

• Tsy misy demokrasia vanona eto Madagasikara, raha tarafina amin'ny zava-misy amin'izao, hoy ny antoko Teza... • Mila hamafisina misimisy kokoa ny fiaraha-miasa eo amin'ny fanjakana sy ny firaisamonim-pirenena, mba hamahana ny olan'ny fananan-tany eto Madagasikara, hoy ny SIF... • Tratra ny tanjona nokendrena tamin'ny tetikasa Jumelage, niarahan'i Frantsa sy Italia ary i Madagasikara nanatanteraka...

• Hikatona rahampitso 15 febroary ny fisoratana anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy izay tafiditra ao anatin'ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana... • Efa nahitana fidinany eo amin'ny 200 Ariary eo ny vidim-bary ankehitriny, raha ny nambaran'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... • Ravan'ny Bianco ireo tambajotra mpanao hosoka eo anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola...

• Miroso lalindalina kokoa ny dingana hananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy. Tontosa ny fihaonan'ny mpikamban'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara sy ny Sampan-draharaha misahana izany eo anivon'ny Fiketrahana Masina... • Mbola fitaovan-tserasera manakaiky vahoaka indrindra ny Radio eto Madagasikara. Nankalazaina omaly ny Andro Maneran-tany ho an'ny Radio... • Nangataka fampiakarana 30% amin'ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina ho an'ity taona 2025 ity ny CTM...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...