♦ Manambana hanao fitokonam-be ireo mpamily fiara vaventy mpitatitr'entana amin'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina, noho ny mbola faharatsian-dalana. Fiarabe 10 no efa nivadika tao Mandraka tao anatin'ny roa volana, vokatr'izany... ♦ Olona 5000 isa eo ho eo, avy aminà fianakaviana 1000 isa, no tratry ny kere any amin'ny Distrikan'i Vangaindrano amin'izao. Mbola tsy voamarina hatramin'izao ny fisian'ny olona matin'izany hanoanana izany hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Mirongatra amin'ny toerana samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana amin'izao. Nirefodrefotra omaly teny amin'ny 67Ha atsimo, jiolahy iray nirongo basy notifirin'ny Pôlisy tamin'ny andro antoandro...
♦ Tsy tokony hiziriziriana ny fanatsarana ny fanomanana ny fifidianana hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Nitondra fanamarihana ny antoko amin'ny mbola tsy nahatratra ny isan'ny mpifidy tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna anatin'ny lisi-pifidianana hatramin'izao... ♦ Tokantrano miisa 2 tapitrisa no kendrena hahazo karatany manerana an'i Madagasikara amin'ity taona ity. Misy indray ilay hetsika herinandron'ny kara-tany, nosantarina tamin'ny fomba ôfisialy tao an-drenivohitra, omaly... ♦ Miverina indray ny "delestage" eto amin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Nilaza ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo fa misy olan'ny famatsiana solika eo anivon'ny orinasa JIRAMA izay mitarika fahatapahan'ny herinaratra...
♦ Mbola ilaina ny fifanakalozan-kevitra, hanatsarana ny asan'ny CENI, ka miantso ny FFKM, ny antoko MMM... ♦ Nahita ny lesoka eny amin'ny fonja Antanimora, ny Minisitry ny Fitsarana, nandritra ny fitsidihana tampoka teny amin'ity fonja ity... ♦ Ahiana hanimba ny faritra avo misy ny Rovan'i Madagasikara, ny fanorenana tsy ara-dalana ataon'ny mponina, hoy ireo mpampianatra mpikaroka...
♦ Tsy maintsy hovaina ny lalàm-pifidianana, raha tiana ny hametraka ny vola azon'ny kandidà ampiasaina amin'ny fampielezan-kevitra hoy ny mpahay lalàna, Sahondra Rabenarivo... ♦ Tovovavy malagasy miisa 07 no lasa mpivaro-tena atsy amin'ny nosy Mayotte, ary nosamborin'ny Zandary any an-toerana. Nofitahina ka noterena hivaro-tena izy ireo, rehefa niantohana ara-bola niala teto Madagasikara... ♦ Handaniana 20 ka hatramin'ny 100 tapitrisa Ariary ny fandefasana mpianatra mandranto fianarana any ivelany amin'izao. Manana vahaolana amin'izany ny orinasa Andafy-Study, izay mahavita mandefa mpianatra malagasy miisa 4000 eo isan-taona...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco