♦Tsy voahilika ireo solombavambahoaka IRD teo aloha izay tsy natao kandidà intsony, fa tsy maintsy nisy ny fandaminana mba hisian'ny fahamarinan-toeran'ny fitondram-panjakàna hoy ny vovonana IFI... ♦ Lasa fandangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hampihato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany fiveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo ny Pretra sy ny Justice et Paix any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...

♦ Nankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ankizin'ny Làlana isika androany 12 aprily. Fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy fanomezana kôpia nahaterahana, no nanamarihana izany teny amin'ny Tranom-pokonolona Isotry... ♦ Lasa fanangonan-karena sy fitadiavam-bola ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara, fa tsy misy mihitsy izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny HPM sy ny ACS... ♦ Mangataka amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana hampiato ny fambolen-kazo any anatin'ny tany iveloman'ireo tantsaha manamorona ny tandavan'ala Angavo, ny pretra sy ny Justice et Paix, ao amin'ny Distrika Misiônera Amboasary Gara, Diôsezin'i Moramanga...

♦ Lehiben'ny Distrika sy Préféts maherin'ny 30 no nosoloina omaly, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra. Heverin'ny maro fa misy antony noho ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 29 mey 2024 izany... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana fampiharana ny lalàna vaovao mifehy ny harena ankibon'ny tany. Fanovana no nentina, hisian'ny aingavao entiny amin'ny toe-karem-pirenena... ♦ Tanora hatramin'ny 7 hetsy isa isan-taona no tokony hiditra amin'ny sehatry ny asa. Maro amin'izy ireo anefa no tsy manana ny fahaiza-manao takian'ny orinasa...

♦ Nanome hafatra ny Justice et Paix eto amintsika, tao aorian'ny fivorian'izy ireo tamin'ity herinandro ity. Voaresaka avokoa ireo zava-misy iainan'ny Malagasy amin'izao fotoana izao... ♦ Mety hivoaka amin'io herinandro io ny lisitra ôfisialin'ireo ho kandidà Solombavam-bahoaka. Mbola afaka mitondra ny raharaha any amin'ny HCC ireo nolavin'ny OVEC ny firotsahany ho fidina... ♦ Nogiazana eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara ilay volamena 450 grama tsy ara-dalàna. Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity ny eo anvion'ny Pôlisin'ny Harena ankibon'ny tany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...