♦ Mandrisika ny fanetsehana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanatanterahana ny PEM ny Banky Iraisam-pirenena. Nisongadina izany omaly tamin'ny dinik'asa niarahana tamin'ny Filoha lefiny, izay mamita iraka eto Madagasikara... ♦ Mandrahona ny hanamafy ny fitokonany ireo mpiasan'ny Antenieran-doholona tsy nandray karama volana nôvambra. Nibodo ireo efitrano fivoriana roa eny amin'ny Lapan'Anosikely izy ireo omaly... ♦ Miakatra ny isan'ireo olona voan'ny Covid-19 sy tratry ny tazo mahery eto amintsika, raha ny filazan'ireo mpitsabo. Tsy tokony hampitebiteby be ity aretina ity, fa manomboka manana hery fiarovana ny rehetra, hoy izy ireo...
♦ Mbola tsy nandray karama volana nôvambra hatramin'ny androany, ireo mpiasan'ny Antenimieran-doholona. Mandrahona ny hanamafy ny hetsika izy ireo ny alarobia izao... ♦ Very vola hatrany amin'ny 16 tapitrisa Dolara isan-taona, i Madagasikara, noho ny jono tsy ara-dalana amin'ny sisin-dranomasina... ♦ Ahiana hampahazo vahana ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola amin'ny asa fampihorohoroana, ny fitomboan'ny fifanakalozam-bola eto Madagasikara...
♦ Mivahiny eto Madagasikara hatramin'ny alarobia ho avy izao ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena misahana an'i Afrika-atsinanana sy atsimo Victoria Kwakwa. Hihaona amin'ny Filohan'ny Repoblika izy amin'izao fitsidihany izao... ♦ Misy amin'ireo mpiasa tokony hisitraka ilay karama farany ambany 250.000 Ariary no mbola tsy naharay ny tambim-panampiana famenony 33.000 Ariary isam-bolana avy amin'ny Fanjakàna... ♦ Nanomboka androany atsy Maurice ny andiany faha-12 amin'ny lalaon'ny vaomieran'ny tanora sy ny fanatanjahatena ho an'ny ranomasimbe indiana na ny CJSOI izay natokana ho an'ny 14 taona hatramin'ny 17 taona. Tsy mandray ary tsy manana solontena amin'izany i Madagasikara...
♦ Nametraka ny vatofototry ny asa fanamboarana ny "autoroute" mampitohy an'Antananarivo amin'i Toamasina ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo. Lanonana notanterahana tao amin'ny Kaominina Talata-Volonondry, Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Tsy mitsaha-mitombo isan-kerinandro ny olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 229 indray ny tranga vaovao voatily teo anelanelan'ny 26 novambra hatramin'ny 02 desambra lasa teo... ♦ Miantso dinika amin'ny vondron'ny mpampiasa amin'ity volana desambra ity ny fiaraha-midiniky ny CTM momba ny famaritana ny karama ampiharina manomboka amin'ny taona 2023 ho avy io...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco