♦ Asa an-terivozina mandra-pahafatiny, izay ny sazin'ny olona miisa 8 tamin'ireo olona 12 isa notanana am-ponja vonjy maika voapanga tamin'ny famonoana an'itkpl Rakotoharisoa Henri ny 02 jona teo. ity farany dia zoky olona mpiaro ny tontolo iainana... ♦ Hahazo tohana avy amin'ny fandaharan'asa SME BLP tohanan'ny Banky Afrikana momba ny fampandrosoana ny orinasa madinika sy salantsalany miisa 300 eto Madagasikara, 150 orinsa no efa nisitraka izay tohana izay... ♦ Hiara-hiasa amin'ny foibem-pitsirihana momba ny mponina sy ny toe-karena ary sôsialy any Canada amin'ny fikirakirana sy fandalinana ny angom-baovao ao aminy ny Instat. Vita sonia ny fifanarahana momba izany...

Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diôsezin’i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, pretran’ny Fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, Eveka nitantana ny Diôsezin’i Morombe.

♦ Tokony atsangana amin'izay ny rafitra voalaza ao amin'ny Lalam-panorenana, mbola tsy mijoro hatramin'izao hoy ny firaisamonim-pirenena. Lesoka mampandringa ny fampandrosoana eto Madagasikara ny tsy fitsanganan'ny filan-kevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina... ♦ Mamporisika ny tanora hirotsaka amin'ny sehatr'asa fambolena sy ny fiompiana ny mpikarakara ilay fikaoanan-doham-pirenena ho an'ny mpandraharaha andiany fahaefatra tanterahana eny Anataninarenina...  ♦ Nitsidika ireo orinasa mpikirakira sy mpanondrana Letsia any Toamasina ny ministra Edgard Razafindravahy. Hisokatra amin'ny talata izao ny taom-piotazana. Noferana ho 1300 Ariary/kg ny vidiny farany ambany...

♦ Mitaky ny hametrahana ny filankevitra momba ny toe-karena, ny sôsialy ary ny kolontsaina, ny vondron'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Lasa 300 tapitrisa Dolara ny vola hanampian'ny Banky Iraisam-pirenena amin'ny fanarenana ny orinasa Jirama... ♦ Ny fahazoana loharanom-bola enti-mihetsika sy ny lalam-barotra matetika, no mbola sakana lehibe ho an'ireo te handraharaha eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...