♦ Tombanana hivoaka an-dranomasina amin'ny talata ilay rivo-doza Cheneso ary mihena hatrany ny heriny. Zazalahy kely herintaona sy tapany no maty ary olona iray tsy hita popoka vokatr'ity rivo-doza ity... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny praiministra Ntsay Christian rehefa tsy haino naneho hevitra nanoloana ilay fitsipaham-pitokisana tsy tanteraka teny anivon'ny antenimieram-pirenena farany teo... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona voan'ny tazomoka any Taolagnaro ao anatin'izao fotoam-pahavaratra izao... ♦ Voatendry ho praiministra vaovao any Nouvelle Zélange i Chris Hipkins...
♦ Tsy misy ahiana intsony hatreto raha ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso. Amin'ny talata anefa izy vao mety ho tafavoaka any amin'ny Lakandranon'i Mozambika, ka mbola mitoetra ny fahabetsahan'ny rotsak'orana... ♦ Hanomboka any amin'ny volana jona any ho any, farahatarany, ny tohin'ilay tetikasa haratona'aina hanampiana ireo mponina sahirana any amin'ny Distrika 119 manerana ny Faritra 23, izay famatsiam-bola hatrany amin'ny 250 tapitrisa Dolara, ho an'ny Minisiteran'ny Mponina... ♦ Distrika faharoa be olona voan'ny tazomoka indrindra ny any amin'ny Distrikan'i Tolagnaro...
♦ Tsy misy filazana loza hatramin'izao, amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny ny fampitam-baovao avy amin'ny APIPA... ♦ Nanatanteraka hetsika fanairana, ho fitakiana ny fanesorana ny Governoram-paritra ao Bongolava, ny olom-boafidy IRD sy ny antoko TGV androany... ♦ Miankina tanteraka amin'ny lalao izay hifandonan'ny Barea Madagasikara amin'ny ekipan'i Soudan amin'ny alatsinainy izao indray, no hiakarany amin'ny dingana manaraka ao anatin'ny CHAN...
♦ Andrasana ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo Madagascar, mahakasika ny fivoaran'ilay rivodoza Cheneso... ♦ Efa maherin'ny 2000 ireo olona tra-boina, ka 214 no voatery nafindra toerana vonjimaika, araka ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC, vokatr'ity rivodoza ity... ♦ Tsy misy atahorana ny fandoavana ny karaman'ny mpiasam-panjakana, hoy ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco