♦ Hanomboka anio maraina any Antsirabe ny fandraisana ireo tanora mpizaika isan-diôsezy hanatrika ny JMJ any an-toerana. Efa an'arivony amin'izy ireo no efa tonga any an-toerana, nanomboka omaly... ♦ Olona 11 isa farafahakeliny no maty, 20 isa any ho any no naratra, vokatry ny fifandonana teo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona, izay nitaky fitsaram-bahoaka... ♦ Hanao diabe ao an-drenivohitra anio ireo mpitondra taxi, ho fanoherana ny hiasàan'ny taxi-moto. Nilaza ny hanao ny hetsika izy ireo, na nahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet- an'ny Polisy... ♦ Atahorana hitera-doza mafy any Ukraine ilay toby famokarana angovo nokleary any Zaporijia. Handefa teknisiana hijery izany ny AIEA amin'ity herinandro ity...
♦ Olona maherin'ny folo no voalaza fa namoy ny ainy ary maherin'ny telopolo no naratra, voakatry ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana tany Ikongo androany... ♦ Miantso ny firenena maneran-tany i Etazonia, isan'izany i Madagasikara, mba hanohitra ny fanafihana ataon'i Rosia any Ukraine, izay misy fiantraikany lalina ara-tsosialy sy ara-toekarena maneran-tany... ♦ Tsy maintsy hanatanteraka ny diabeny ireo mpitondra taxi ao Antananarivo Renivohitra, na mahazo alalana na tsia avy amin'ny Préfet-n'ny polisy, hoy izy ireo...
♦ Hampihatrano ny andro eran-tany ho an'ny tanora eto Madagasikara na ny JMJ Mada andiany faha-10 ny diôsezin'Antsirabe. Andalana mihazo an'Antsirabe ireo tanora avy lavitra, isan'izany ny any Mahajanga... ♦ Mpizahan-tany miisa 11 no voasoloky ny agence de voyage maherin'ny 200 tapitrisa Ariary nandritra ny fahatongavany teto Madagasikara tamin'ity volana aogositra ity... Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsaràna izy ireo... ♦ Hisokatra amin'ny faritra hafa, ankohatra ireo faritra any atsimon'ny nosy, anombohana ny fametrahana kavin'omby ny tetik'asa momba izany hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, Andriamahatola Lezoma Tsiry... ♦ Maherin'ny 1000 ireo olona matin'ny tondra-drano any Pakistan...
♦ Nitombo 15 ny Pretra etp amin'ny diôsezin'Antananarivo, 16 isa ny Diakra. Notanterahana omaly tetsy Soamandrakizay nandritra ny andron'ny Diôsezy ny fanamasinana azy ireo... ♦ Miantso ny mpitondra hiara-hidinika amin'ny alalan'ny fikaonandoham-pirenena ny CRN. Miantso fitoniana ny loholona Ramanambitana Richard... ♦ Baolina kitra : nivoaka nandresy ny Barean'i Madagasikara raha nanafika tatsy Botswana tamin'ny sabotsy teo. Niondrika teo anatrehan'ny malagasy tamin'ny isa tokana iray noho aotra ny ekipam-pirenena Botswané... ♦ Nampanantena hanolotra 30 miliara dôlara hanampiana an'i Afrika ry zareo japoney. Fanambarana nandritra ny fihaonana an-tampon'i Afrika sy Japon andiany faha-8 natao tany Tunis...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco