♦ Hafindra ao Tampoketsa distrika Ankazobe ny fitaovam-piadiana sy ny fitoerany ao amin'ny RAL teo aloha ao Imerintsiatosika. Ny fitaovam-piadiana goavana hafindra ao Arivon'Imamo, noho ny tetik'asa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro... ♦ Nisafidy ny Faritra Analanjirofo sy Androy hatao filamatra tsy hisian'ny fametrahana diky ankalamanjana ny fitondram-panjakana. Madiva ho fongotra ny fanaovana maloto ankalamanjana ho an'ny Faritra Androy. Kaominina 54 amin'ny 58 no efa niala tamin'izany... ♦ Vonona hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ny tantsaha mpiompy. Mitaky tohana ahafahan'izy ireo misitraka karazan'omby afaka manome ronono 20 litatra mahery ny mpiompy ao Ambohijafy...
♦ Baolina kitra, mitarika amin'ny isa telo ao amin'ny vondrona misy an'i Madagasikara i Ghana sy Angola. Resin'ny Black Star tamin'ny isa 3 noho 0, alina ny Barean'i Madagasikara... ♦ Tsy mitsahatra mandroso hevitra hisian'ny fifampidinihina manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny CFM. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoanan'ny Filan-kevitra Fampihavanana Malagasy... ♦ Hiroso amin'ny famadihana ny volamena voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanana ny lanjany amin'ny lanjam-bola malagasy ny Fanjakàna. Any Suisse no hanadiovana ny volamena iray taona mahery... ♦ Homarihana amin'ny lanonana goavana hanomboka anio hatramin'ny alahady izay ny faha-70 taona nitantanan'ny Mpanjaka Elisabeth-II...
♦ Ho tanterahana afaka adiny roa sy sasany eo, ny lalaon'ny Barea sy ny Black Star. Lalao fifanintsanana amin'ny CAN 2023... ♦ Manamafy ny adisisika ho an'ny fifampiresahana ny CFM, manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Hiroso amin'ny famadihana ho "or monétaire" ireo tahirim-bolamena, ny eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara...
♦ Mila ahitsy ny lalana mifehy ny fitrandrahana. Fotoana tokony handinihina ny mahakasika ireo fifanarahana nataon'ny fanjakàna tamin'ireo orinasa lehibe manao fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto amintsika izao hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Reharehan'i Madagasikara ny fananana orinasa Malagasy 100% toy ny Equinvest any Toliary, izay vao manomboka misehatra eo amin'ny toe-karena manga sy mitrandraka ireo vokatry ny jono, manome asa ho an'ny Malagasy... ♦ Ho fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, mba hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara, eken'ny rehetra ka hanjakan'ny fitoniana dia misy ny atrik'asa tanterahin'ny EISA miaraka amin'ny CENI...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco