♦ Vaky vava ny teo anivon'ny PAC omaly fa sahirana izy ireo, amin'ny fanenjehina ara-pitsaràna ireo tompon'andraiki-panjakana ambony. Maro tamin'ireo no nahavoarohirohy olona ambony, hoy ny PAC, no tsy misy tohiny ny fitsaràna hatramin'izao... ♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fikaonan-doham-pirenena hanomànana ny fifidianana amin'ny taona 2023 ny Vondrona Erôpeana. Tokony havaozina tanteraka ny lisi-pifidianana, hoy ny mpanara-maso avy amin'ity vondrona ity... ♦ Lasa narisarisa tamin'ny fanaovam-baksiny isika eto Madagasikara, taorian'ny krisy ara-pahasalamana nentin'ny Covid-19. Hanova paik'ady fanentanana ny Ministera...
♦ Feno 50 taona ny tolom-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972, nitakiana ny hetaheta sy ny tombontsoam-bahoaka. Nosantarina omaly teny Analakely ny hetsika fahatsiarovana izany, hitohy amin'ny herinandro ho avy io... ♦ Mitaky ny hijerena ny tena marina, sy hampanjakàna ny rariny amin'ny fitoriany ny solombavambahoaka any Bekily, ireo mponina any an-toerana. Nanitsy ny voalazan'io olomboafidy io izy ireo fa manana lonilony aminy ny mponina noho ny olana ara-tany, ka saika nitifirana azy... ♦ Navoaka omaly ny lisitra mirakitra ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny fifanintsanana CAN 2023, afaka tapa-bolana. Anisan'ireo mpilalao voaantso i Remy Vita, mpilalaon'ny Bayern de Munich...
♦ Dimampolo taona androany no nisian'ny tolona 13 mey 1972. Fitakian'ny mpianatry ny Oniversite, niafara tamin'ny hetsi-bahoaka. Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taonan'ny tolona 72, androany... ♦ Nifarana androany ny fifanakalozan-kevitra andiany faharoa teo amin'ny mpandraharaha amin'ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana. Samy vonona sy resy lahatra amin'ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, izy ireo...
♦ Dimampolo taona tao aorian'ny hetsika 13 mey 1972, tsy mbola tratra ny tanjona tamin'ny tolona. Miantso sy mampahery ny vahoaka Malagasy mba hanorina indray, ny RDS... ♦ Olona roa mpianaka no maty, vokatry ny fihinana voaveo, any Mahazony, Farafangana. Mbola marary kosa ny renim-pianakaviana, vadin'ny maty... ♦ Tao aorian'ny fanovan-dalana teny Antanimena sy Ankorondrano, harindra indray ny fampiasana ny lalana eny Andohan'Analakely. Hihatra manomboka ny alahady 22 mey izao izany, hoy ny eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco