♦ Hanohy fitsaboana eto Antananarivo ny SEG sy ny mécanicien. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olona roa hafa... ♦ Tafakatra 36 ireo mpandeha hita faty tao anatin'ilay sambo Francia, rendrika tany Antsiraka... ♦ Nametraka fanambaram-pananana teny amin'ny HCC ireo mpikambana ao amin'ny CENI, androany...

♦ Velon'aina ny roa tamin'ireo mpandeha efatra tao amin'ilay angindimby nianjera tany amin'ny ranomasina manakaiky ny distrikan'i Fenoarivo Atsinanana omaly hariva. Anisan'ireo avotra ny Sekreteram-panjakana misahana ny Zadarimariam-pirenena, rehefa nilomana adiny roa ambin'ny folo... ♦ Nampangaina ho mpanao pôlitika ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha manohitra ilay volavolan-dalana mifehy ny fananan-tany. Mitondra fanazavana ny tompon'andraikitra...

♦ Ny Diôsezin'Antsirabe, manomboka androany no nandray indray ny Lakroa sy ny Icône an'ny JMJ Mada... ♦ Misaona ny tontolo pôlitika sy ny fampianarana amabaratonga ambony. Nodimandry androany maraina ny Minisitra teo aloha sady mpanao pôlitika, Andriamatoa Jean Théodore Ranjivason... ♦ Nisondrotra ny saran-dalana amin'ny Taxi-brousse miainga eto Antananarivo mankany amin'ny Faritra. Niakatra iray alina Ariary eo izany raha mitaha amin'ny hatramin'izay...

♦ Efa an-dalana eny amin'ny lalam-pirenena fahafito "RN7" ny  Lakroa JMJ Mada rehefa niala teny amin'ny Ekar Mangasoavina ny maraina teo... ♦ Nisitraka trano fiangonana sy fanomezana ny ivon-toerana Fanarenana eny Anjanamasina, izay ahitàna ankizy 96... ♦ Saika niroso tamin'ny fialantsasatra mialoha ny fotoana voafaritra ny ankamaroan'ny sekoly hoy ny ministra mpiahy...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...