♦ Niatrika ny mpitsara androany, ilay teratany frantsay François Marc Philippe, voarohirohy amin'ny rahaharaha "Apollo 21"... ♦ Nihatsara ny fivoaran'ny fiaraha-monim-pirenena teto amintsika ho an'ny taona 2020, araka ny tatitra navoaka androany... ♦ Nitondra ny hetahetan'ny tantsaha teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ireo mpianatry ny sekoly ambony FORMAGRI, niofana ho mpitarika...
♦ Nahitsin'ireo loholon'i Madagasikara ilay volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022, nialohan'ny nandanian'izy ireo azy omaly... ♦ Hanao tatitra ampahibemaso momba ny fampiasam-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2021, ny "Cour de Comptes", amin'ny zoma 10 desambra 2021 ho avy izao... ♦ Tratran'ny velam-pandriky ny zandary ny olona 3 lahy nikasa hivarotra ankizivavy iray tany Antsirabe, saika hamidy 600 000 Ariray...
♦ Fihaonana an-tampony momba ny sakafo ho an'ny fitomboana : 811 tapitrisa ny olona tratry ny mosary eran-tany, ary maherin'ny 155 tapitrisa ny ankizy tsy mitombo ara-dalana noho ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila fandraisana andraikitra hoy ny filoha Malagasy tany Japon, ... ♦ Tsy latsaky ny 20 ny ankizy maty vokatry ny hanoanana any Ambindamahery, kaominina Sahanalo, faritra Anôsy... ♦ Raharaha Apollo 21, mbola Paul Rafanoharana ihany no nohainoan'ny mpitsara omaly, tamin'izy 20 mianadahy voarohirohy, tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka...
♦ Nitohy androany ny raharaham-pitsarana momba ny fifofoana ny ain'ny tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena, na ny Apollo 21. Nisantatra ny fijoroana nanoloana ny mpitsara i Paul Ranoharana... ♦ Nodinihin'ny vaomeira mpanadihady momba ny ady tany, eny amin'ny Antanimieram-pirenena, ny antontantaratasy miisa dimy amin'ny roanjato voarain'izy ireo...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco