♦ Misedra olana amin'ny fandrakofana ny vaovao momba ny Covid-19, ireo mpanao gazety any amin'ny Faritra Menabe... ♦ Efa hita ao amin'ny tranonkalan'ny Minisiteran'ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola manomboka izao, ny volavolan-dalana lasitra mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2022... ♦ Toherin'ny vondron'ny mpampianatra mpikaroka eo anivon'ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny fikasana hanome ny fitantanana ity  valanjavaboahary ity ho an'ny mpandraharaha vahihy, mandritra ny 30 taona...

♦ Marobe ny basy tsy ara-dalàna mifamoivoy any anatin'ny fiaraha-monina any eto Madagasikara. Omena iray volana, nanomboka omaly, ireo izay manana izany, mba hanatitra azy ireny eny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana, tsy misy arakaraka... ♦ Litchis hatrany amin'ny 16 000 taonina no ho aondran'i Madagasikara any ivelany amin'ity taona ity. Misokatra ôfisialy anio ny fotoam-piotazana ho an'ny faritra atsinanana... ♦ Nomena vahana ao amin'ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022 ny lafiny sôsialy, ary tsapa fa saika niakatra avokoa ny teti-bola natokana ho an'ny ministera tsirairay...

♦ Misy ny simenitra eto Madagasikara fa ny mpanararaotra no betsaka, ka tsy maintsy nanafatra simenitra ny fitondrana, hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka, izay efa ao Toamasina... ♦ Hiakatra fampanoavana ny raharahan'ilay polisy namono lehilahy nitrotro zazakely, teny Miandrarivo Ambanidia, izay niteraka resabe tao amin'ny FB omaly... ♦ Maherin'ny 1 500 000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mamoy ny ainy isan-taona vokatry ny fahalotoan'ny tontolo iainana, raha ny tatitry ny OMS...

♦ Polisy nanao herisetra teny Ambanidia, ao Antananarivo Renivohitra. Nanameloka iny tranga iny ary nitaky ny hisian'ny fanadihadiana ny CNIDH... ♦ Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra ny eto afovoan-tany. Handray fepetra momba ireo olona mipetra amin'ny faritra nametrahaha saina mena eny Manjakamiadana sy ny manodidina ny BNGRC...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...