♦ Voafidy hitantana ny Fivondronamben'i Evekan'i Madagasikara indray manomboka izao ny Evekan'i Morondava Mgr Raharilamboniaina Fabien... ♦ Baomba kitra, hihaona any Benin indray anio hariva ny barean'i Madagasikara sy ny ekipam-pirenena beninois... ♦ Manome telo andro ny fitondram-panjakàna ny sendikan'ny delegem-panjakàna hijery vahaolana momba ny taratasin'omby miteraka olana, amin'izao fotoana izao...

♦ Natsahatra ny fampiharana ilay fampakarana ny saran-dalana hatrany amin'ny 60% ho an'ny zotra nasiônaly, izay notapahan'ireo mpitatitra ny faran'ny herinandro teo. Hisy vaomiera hatsangana hiarahan'izy ireo amin'ny minisitera mpihahy hidinika ny momba izany... ♦ Manome telo andro ny fitondram-panjakana hitady vahaolana momba ny bokin'omby sandoka, izay mahatonga ny fanagadrana ireo delegem-panjakana, ny sendikan'ny Assistants d'administration eto Madagasikara...

♦ Ho dinihan'ny solombavambahoaka amin'ny herinandro ho avy io ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna voalohany 2022, efa tonga teny Tsimbazaza tamin'ny 29 Oktobra 2021... ♦ Tsy misy gadra politika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa noho ny heloka hafa nataony, hoy ny Ministry ny fitsaràna... ♦ Nosamborin'ny mpitandro filaminana teny amin'ny Aéroport Ivato omaly ny ministry ny kolontsaina sy ny asa tanana teo aloha, Randrianarisoa Vaonalaroy... ♦ Nisy nitoraka grenady alina ny trano fanaovam-pirintin'ny "La Gazette de la Grande Îles" eny Tanjombato...

♦ Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahafaty an'i Mendrika. Efa namoaka ny taratasy fahazoan-dalana manenjika ireo miaramila 13 voakasika ny MDN... ♦ Tamin'ny taona 2017, nahatratra 2 700 000 isa ny olona matin'ny loza nandritra ny asa, eran-tany. Midina ifotony manara-maso ny fanajana ny fahasalamana sy ny aro loza ny Ministeran'ny asa... ♦ Ho fanomezan-danja ny asa soratra sy ny vaky boky dia tontosaina eny amin'ny tranom-bokim-pirenena Anosy ny hetsika tsenaben'ny boky andiany-I ...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...