♦ Lany daty manomboka rahampitso ireo vakisiny Covishield nampiasaina teto Madagasikara. Tsy hisy intsony aloha ny fanaovam-bakisiny faobe, efa nody niverim-potsiny ireo olona nikasa hanao izany teny amin'ny HJRA Ampefiloha, androany... ♦ Nangata-panazavana any amin'ny OMS ny fitondrana malagasy, manoloana ny vaovao navoakan'ny Masoivoho frantsay. Niteraka resa-be ny filazana fa tsy afa-miditra any Eorôpa ireo olona vita ilay vakisiny Covishield natao teto amintsika...
♦ Misedra fahasahiranana ny toe-karena malagasy hoy Profesora Ralison Roger ka tokony hanova famindra amin'ny politikam-pitantanana ny mpitondra... ♦ Misaraka ho roa i Vatovavy Fitovinany. Nankatoavin'ny loholona omaly ny tolo-dalàna mamaritra ny faritra faha-23 etp Madagasikara... ♦ Nahavita vaksiny hiarovana amin'ny Covid-19 ny voafonja miisa 130 eny amin'ny fonjan'Antanimora. Fiaraha-miasan'ny ministeran'ny fitsaràna tamin'ireo mpiara-miombon'antoka...
♦ Nidina an-dalambe indray omaly ny mpianatry ny ny Oniversiten'i Toliara sy Fianarantsoa. Olona iray no maty tany Toliara noho ny fifandonana tamin'ny mpitandro filaminana... ♦ Valan'aretina Covid-19, tranga vaovao 32 no hita tamin'ny fitiliana 600 ny talata teo. Teto amin'ny faritra Analamanga ny 23 tamin'ireo. Iray no lavo... ♦ Nikarakara lohabary an-dasy, ranty boky ny trano fivarotam-boky Md Paoly eny Analakely-Antananarivo ho fanamarihana ny iray volan'ny teny malagasy...
♦ Mbola hitohy ny hetsika nataon'ny mpianatry ny Oniversite androany. Roa no voasambotra tao Fianarantsoa, voalaza fa nisy olona iray maty kosa tany Toliara... ♦ Tsy eto an-tanindrazana hatramin'ny alahady ho avy izao ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. Hanatrika ny sakramentan-janany izy raha ny fanampim-baovao voaray...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco