♦ Manodidina ny valo arivo ireo olona kendrena hisitraka fitsaboana, torhevitra, tolotra ara-pahasalamana, anatin'ny "Carvane médicale" andiany fahatelo. Niainga teny Ivoloha omaly maraina, ireo fiara "Cliniques mobiles" folo, ho any Alaotra Mangoro sy ny Faritra Atsinanana... ♦ Efa any Tanzanie, hatry ny omaly, tamin'ny 4 ora mariana, ora any an-toerana, ireo mpilalaon'ny Barea. Nambaran'ny FMF, omaly, fa misy mpilalao iray voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19...

♦ Resin'i Tanzanie tamin'ny isa 3-2 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny andro faharoa amin'ny lalao fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2022. Faharesena faharoa azon'ny Malagasy, mametraka azy any amin'ny laharana farany ao amin'ny Vondrona J... ♦ Tokantrano manodidina ny arivo no monina tsy ara-dalana ao amin'ny ala arovana Antimena any Menabe. Mampanahy ny fahasimban'ny ala arovana, tonga nikaro-bahaolana niaraka tamin'ny CFM ny solontenan'ny mpitantana any amin'izany faritra izany...

♦ Olona ftio no matin'ny pesta aretin-tratra tany amin'ny kaominina Miandrandra Arivonimamo, araka ny vaovao navoakan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka androany. Efa ampiharina any amin'ny Faritr'Itasy amin'izao ny sakana ara-pahasalamana... ♦ Hanokana vola 2 miliara sy 8 tapitrisa ariary ho an'ireo mpiasa very asa, mpikambana ao amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Hisitraka vola 5 arivo sy 7 alina sy iray hetsy izy ireo, ato anatin'ny roa volana, hoy ny CNaPS...

♦ Tontosa androany maraina, tety amin'ny tranon'i Don Bosco ety Ivato, ny fifanaraham-piaraha-miasa hampiroboroboana ny sehatry ny asa tanana. Nanome voninahitra izany, ny Minisitra Ramatoa Ratsiraka Sophie... ♦ Hotanterahana ny 16 ôktôbra ho avy izao ny fifidianana ireo mpikambana vaovao handrafitra ny holafitry ny mpanao gazety, eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...