♦ Tsy misy fiovàna fa mitoetra ny fandaharam-potoana sy ny lamina efa napetraka amin'ny Eokaristia Masina hatao etsy amn'ny seminera Propédeutique Amboara rahampitso zoma... ♦ Lavin'ny Vovonan'ny foibem-pitantanana nasiônalin'ny fampianara tsy miankina ny fampandoavana vola ny sekoly tsy miankina hiatrehana ny fanadinam-panjakàna CEPE sy ny BEPC... 

♦ Mila vahana haingana ao anatin'ny fifampiresahana ny fitakiana samihafa amin'izao fotoana izao hoy filohan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Valan'aretina covid-19 : miisa 02 no lavo ary 138 ireo tranga vaovao voatily  araka ny tatitra nivoaka omaly... ♦ Mitsipaka ny fampiharana ilay fanovàn'ny fanjakàna  ireo sokajy isafidianana amin'ny fanadinana Bakalôrea ny vovonan'ireo foibem-pitantanana nasiônalin'ny fampianarana tsy miankina... 

Nampitovy tandin-dokanga niaro ny fitondrana, nandritra ny lahateny fanokafana ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan'ny andrim-panjakana mpanao lalana, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena. Tokony hitadiavana vahaolana haingana ireo fitakiana samihafa, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa. Miantso fifampidinihana hamahana ireo olana samihafa ihany koa, Andriamatoa Razafimahefa Herimanana...

♦ Nisokatra tamim-pomba ôfisialy androany etsy amin'ny CCI Ivato ny fivoriana tsy ara-potoana an'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola tsy resy lahatra amin'ny fanafarana ny vaksiny fanefitry ny coronavirus ny fitondrana malagasy... ♦ Mangataka tsy misy fepetra ny fametrahampialan'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny ministera, izay tsy mahavaha olany ny sendika mahaleo tenan'ny inspecteurs du travail... 

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...