♦ Miantso ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly, na ny PAC, sendikan'ny mpiasan'ny fadintseranana, mba hikaroka ireo olobe, tompon'antoka tamin'ny fanondranana volamena tatsy Afrika Atsimo... ♦ Hihamafy ny hetsika fitakiana, hataon'ireo orinasa misahana ny fikojakojana ny lalana eto Madagasikara. Efa fito volana no vita ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena tamin'ny taona 2020, saingy tsy mbola azo ny vola hatramin'izao...

♦ Basy 128 isa indray no tratran'ny miaramila mpampandry tany, teny am-pelatanan'ireo dahalo tamin'ny faritra maro manerana ny nosy... ♦ Velon-taraina ireo mponina eny amin'ny fokontany Firavahana-Fenoarivo fa mivadika nandrevo ny ranon-tany nanamboarana ny lalana... ♦ Nahazo ny fankatoavan'ny OMS ny vaksiny novokarin'ny laboratoara ASTRA-Zeneca, fanefitry ny Coronavirus... 

♦ Hamory vahoaka eny Ambohijatovo ireo solombavambahoaka TIM lany tao an-drenivohitra ny sabotsy izao... ♦ Nampiato ny fitokonana ao anatin'ny 72 ora nanomboka omaly ireo mpiasa anatin'ny sendikà "Paramedicaux"... ♦ Miha-mafy ny hery famoretana ataon'ny tafika amin'ireo mpanao fihetsiketsehana any Birmanie... 

♦  25.674.196 ny isan'ny mponina eto Madagsikara raha ny tatitra ofisialy nivoaka androany... ♦ Mikasa ny hanao tatitra amin'ny vahoakan'Antananarivo eny Ambohijatovo ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM... ♦ Nampiato ny fitokonany ao anatin'ny 72 ora manomboka androany ireo Paramed.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...