♦ Hotanterahana isaky ny renivohi-paritany ny matso ataon'ny foloalindahy malagasy hankalazàna ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nambaran'ny teknisiana ao amin'ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana fa tsy misy ahiana ny famatsiana rano fisotro madio ho an'ny mponina Antananarivo... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ahafahan'ny toeram-pitsaboana iraisan'ny orinasa hitsabo ny mpiasa mararin'ny Covid-19... 

♦ Nohalavaina 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tsy mihoatra ny 200 ny olona afaka mivorivory. Isan'ny fepetra nambaran'ny filohan'ny repoblika alina... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina covid-19, tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina 39 no voatily tamin'ny fitiliana miisa 841 natao ny sabotsy 12 jona teo, Sitrana 26, lavon'ny aretina miisa 05... ♦ Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy ny fankalazàna ny faha-150 taonan'ny Ekar Fo Masin'i Jesoa Anosizato. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo no nanehoana izany... 

♦ Notondra ny raharaha ady tany eny anivon'ny PAC ireo mponina eny amin'ny cité Ambohipo izay tratry ny fanararaotana nataon'ny tompon'andraikitry ny SEIMAD teo aloha... ♦ Niara-dalana tamin'ny fiverenan'ny fampianarana eny amin'ny Oniversite ny fitokonana samihafa. Miantso ny hampiatoana izany fotokonana  izany ny birao nasionalin'ny SPATU... ♦ Ho tsapaina amin'ny lalao etsy amin'ny kianjan'Ambohidratrimo anio ireo mpilalaon'ny Barean'i Madagasikara miatrika fampivondronana... 

♦ Manodidina ny 160 000 000 ireo zaza tsy ampy taona maneran-tany izay miditra amin'ny sehatry ny asa, ho an'ny taona 2020. Marihina anio ny andro eran-tany iadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona... ♦ Nanome toky ny hanatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny filohan'ny HCC Rakotoarisoa Florent... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ministry ny raharaham-bahiny momba ny Nosy malagasy ny antoko Otrikafo. Sarotra ny hahazoana ireo nosy ireo raha amin'izao hoy Me Ôlala... 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...