♦ Miantso fitoniana ny eo anivon'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, manoloana ny tontolo pôlitika mafampana tato ho ato. Mila ahitsy ny fanaovana pôlitika eto amintsika fa mitady hirona any amin'ny fifampihantsiana, hoy ny CFM... ♦ Tokantrano 398.700 no hisitraka fanampiana ara-tsôsialy ato anatin'ny enim-bolana, anatin'ny tetik'asa "Fiatrehana voina sy fanarenana". Nampahafantarina androany ny momba izany...

♦ Manao fanadihadiana momba ilay volamena 73 kilao mehery, niainga teto Madagasikara, tratra tatsy Afrika atsimo ny firaisamonim-pirenena... ♦ Diso fanantenana amin'ny fidinan'ny vidin'ny lavanila ireo mpandraharaha sy mpamboly any amin'ny faritra Sava... ♦ Miverina tsikelikely ny tsena ivelan'ny vokatra Canelle ho an'ny Madagasikara... 

♦ Miantso fitoniana manoloana ny toe-d'raharaha politika mafampana tato ho ato ny solombavambahoaka IRD... ♦ Hanomboka rahampitso ao Antananarivo Renivohitra ny famarotana ny vary tsinjo, 1.500Ar ny kilao... ♦ Ady amin'ny coronavirus, nofendrahana ranom-panafody ireo toerana ivezivezen'ny olona maro ao an-drenivohitra... 

Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...