♦ Mananika ny 1600 ny isan'ny olona efa nitondra sy mbola mitondra ny Coronavirus araka ny tarehimarika farany... ♦ Feno 185 taona omaly ny Baiboly Malagasy vita printy voalohany... ♦ Hodinihin'ny Solombavambahoaka amin'ny fivoriana itambaram-be anio ny volavolan-dalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020...

♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo olona 7 niakatra teny amin'ny PAC, izay voasaringotra tamin'ilay raharaha vatomamy 8 miliara ariary, teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nolavin'ny Antenimierandoholona ny fahafahan'ny mpanao gazety mamoaka vaovao azo avy amin'ny fivoriana mikaton-trano...

♦ 40 ireo olona voatily tratran'ny Coronavirus ary 35 ireo sitrana araka ny tatitry ny CCO Covid-19... ♦ Nampahatsiahy ny mpitondra malagasy tamin'ny teny nomeny ny amin'ny hiverenan'ireo Nosy Malagasy amin'i Madagasikara mialohan'ny 26 jona ny Otrikafo... ♦ Ho hentitra ny fivezivezena ao amin'ny Araben'ny Fahaleovantena manomboka ny 24 jona ho avy izao...

♦ Niampy 40 indray ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO Covid-19 androany... ♦ Nilanja sora-baventy teo anoloan'ny masoivoho frantsay teny Ambatomena androany ny Antoko Otrikafo, nitaky ny hamerenana amin'i Madagasikara ireo Nosy Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...