♦ Miantso ny olom-pirenena tsy ankanavaka hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sôsialy eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Mampirisika hatrany amin'ny tokony hisian'ny dinika eo amin'ny tontolon'ny asa ny Sendikan'ny Mpanara-maso ny asa SAIT... ♦ Maro amin'ireo olona manana aretina mitaiza no tsy afaka manaraka na manapaka ny fitsabon-tenany noho ny fisian'ny fihibohana...

♦ Nitombo tsy toa ny isan'andro ny isan'ny olona voatily ary voamarina ho mitondra ny Coronavirus araka ny tatitra ôfisialy... ♦ Ampitomboina ny isan'ny olona atao fitiliana amin'ny Coronavirus any Toamasina... ♦ Hihamafy ny fampihatrana ny fepetra mandritra izao hamehana ara-pahasalamana izao hoy ny Préfet an'Antananarivo...

♦ Andrasana ny valin'ny fitiliana ilay vehivavy iray namoy ny ainy, na Coronavirus tokoa no nahafaty azy na tsia... ♦ Fitiliana ny Coronavirus hatrany amin'ny 10.000 no hatao any Toamasina izay ahitana tranga marobe amin'izao fotoana izao... ♦ Hihamafy ny fampiarana ireo fepetra ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao hoy ny Préfet an'Antananarivo...

♦ Manamafy ny fitandroana ny filaminana any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy ny Tafika Malagasy... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika ny 04 tamin'ireo olona 25 voarohirohy tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin'ny pôlisy nanao ny asany tao amin'ny fokontany Antsifotry, any Ambanja... ♦ Tsy mankasitraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra handrodana tsena sy trano amin'izao fahasahiranana mahazo ny mponina izao ny mpanolotsaina avy amin'ny Antoko TIM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...