♦ Mitaky fikaonan-doham-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra, manoloana ny raharaharam-pirenena ankehitriny. Mila sorohana sy hitadiavam-bahaolana ireo olana marolafy eto amin'ny firenena, hoy ny RMDM... ♦ Olona fito no efa tratra tamin'ilay raharaha fakana an-keriny, zaza 3 taona, teny Anosivavaka Ambohimanarina ny alatsinainy 7 febroary teo... ♦ Novatsian'ny SOS Village d'Enfants, vola 5 hetsy sy 117 tapitrisa ireo ivotoerana enina fitaizana ankizy, any amin'ny faritra Vatovavy sy Fitovinany. Simba avokoa ny fotodrafitr'asan'ireo ivotoerana ireo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...