♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalana eto Madagasikara. Samy niaro ny ezaka vitan'ny Fahefana mpanatanteraka na ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena na ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny lahateny fanokafana... ♦ 3 mey, Andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, tsy mbola nisy hoy ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny mpanao gazety nofonjaina noho ny fanatanterahana ny asany teto Madagasikara...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...