♦ Andrasana eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahan-tena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny nofo mangatsiakan'i Rak Roots, nanomboka ny hariva teo... ♦ Tafatsangana androany ny vondrona pôlitika VPHM na Vondrona Pôlitika Hafa Miray. Nandiso fanantenana ny vahoaka hatrany ny olona nametrahany fitokisana hitondra ny firenena hatramin'izay, hoy ny fanambaran'izy ireo... ♦ Nilefitra, ka nampidina ho 600 Ariary ny saran-dalana ny Taxibe ao an-drenivohitra sy ny FMA sy ireo mpitatitra sasan-tsasany ao anatin'ny UCTU...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...