♦ Miantso ny fitsarana mba hampihatra am-pahamarinana ny lalana mifanandrify amin'ireo namono olona telopolo mahery tany Ambolotarakely ny antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. Antoka iray ahafahana mamerina ny fahatokisan'ny olom-pirenena Malagasy ny fitsarana izany, hoy ity antoko ity... ♦ Efa misy ireo miomana amin'ny fanaovana hosoka amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko Malagasy Tonga Saina na ny MTS... ♦ Nanomboka ny folakandro teo teny Mahamasina ny Afrobasket sokajy lehilahy, latsaky ny 18 taona. Rahampitso no hiakatra kianja voalohany ny Ankoay, ekipa malagasy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...