Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diôsezin’i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, pretran’ny Fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, Eveka nitantana ny Diôsezin’i Morombe.

Teraka tao Nietuszkowo tao Pologne ny 16 ôktôbra 1958 i Mgr Zygmunt. Ny 15 aogositra 1979 izy no niditra tao amin’ny fikambana Missionnaires de la Sainte Famille. Nanonona ny voady voalohany ny 8 septambra 1980 ary nanolotena mandrakizay ho an’Andriamanitra tao amin’io Fikambanana io ny 8 septambra 1983.

Ny taona 1980 ka hatramin’ny 1985, nanohy ny fiofanana tao amin’ny Scolasticat sy ny Seminera Zokiny an’ny Fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille tao Kazimierz Biskupi, Pologne izy, ary nandalina ny filôzôfia sy ny teôlôjia tao amin’ny Institut Pontifical de Théologie tao Poznań, ka nahazo ny mari-pahaizana Licence sy Master momba ny Lalàn’ny Fiangonana.

Ny 11 jona 1986 izy no nohamasinina ho pretra ary voatendry ho Evekan’ny Diôsezin’i Morombe ny 23 aprily 2001, ary nohamasinina ho Eveka ny 2 septambra 2001.

Notendren’ny Papa François ho Evekan’i Mahajnaga ny 19 nôvambra 2022.

Miarahaba ny Diôsezin’i Mahajanga, nahazo mpiandry ondry, izahay eto amin’ny Radio Don Bosco, ary mirary soa an’i Mgr Zygmunt amin’ny fanohizana ny asa masina sy sarotra ankinin’Andriamanitra sy ny Fiangonana aminy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...