♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andriam-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niantso fitoniana pôlitika ny filohan'ny antenimeram-pirenena Razanamahasoa Christine. Nidera ny zava-bitan'ny governemanta ny Filohan'ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana... ♦ Madio sy mangarahara ny fitantanam-bola eny amin'ny antenimieram-pirenena hoy ny Kestora voalohany misahana ny vola... ♦ Mbola manamafy ny fitakiana hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy any amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ho an'ireo kaominina tokony hisitraka izany ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany na ny OSCIE...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...