♦ Hafatra Noely 2022 avy amin'ny FFKM : aoka tsy ho mpihaino fotsiny fa tena iaina ny Tenin'Andriamanitra isika. Mitarika antsika handinintena anatin'ny fanetren-tena ny Filazantsaran'ny Famonjena ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin'ny fahalovana sy ny ratsy fanao... ♦ Misafidy hiara-mivavaka, miara-mifety ary mizara fanomezana ho an'ireo olona ampian'i Père Pedro eny amin'ny Akmasoa hatrany ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany isaky ny fetin'ny Noely... ♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny fetin'ny Noely nanerana ny nosy. Nampitomboina rahateo ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana ary mbola mitohy amin'ny fety handraisana ny taona voavao ihany koa izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...