♦ Nitondra famelabelaran-kevitra mahasika ny hafatry ny Papa François, momba ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Niaka-bidy indray ny vary vokarina eto an-toerana. Misy tafakatra 950Ariary ny kapoakan'i Makalioka ao an-drenivohitra. Miantso ny fitondrana foive hijery akaiky izany ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana manoloana ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repôblika mibaiko ny olom-boafidy, hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo. Fanehoan-keviny manoloana ny famelàna indray ireo mpivarotra amoron-dalana hivarotra na dia efa noraràn'ny Kaominina Antananarivo aza...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...