♦ Ahemotra amin'ny sabotsy 28 janoary ny fanokafana ôfisialy ny taona fambolen-kazo, izay hatao any Ilaka-Est, noho ny fiforonan'ny andro ratsy ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Efa resy lahatra amin'ny voka-tsoa ho entin'ny asa fitrandrahan'ny Base Toliara indray ankehitriny, ny ankamaroan'ireo nanohitra ny Tetikasa, any amin'ny Fokontany Benetsy Toliara-II... ♦ Herin-taona omaly 15 janoary, izay androm-pirenena ho an'ny Kabary Malagasy, ny nanambaràna  tamin'ny fomba ôfisialy ny nampidirana ny Kabary ho harem-bakoka ara-tsain'ny zanak'olombelona... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...