♦ Mihatra ny filazana miloko mavo na filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano any amin'ireo toerana manamorona ny reniranon'i Betsiboka araka ny fampitam-baovaon'ny météo androany tamin'ny 9 ora maraina... ♦ Nadikan'ny Praiministra Ntsay Christian ho endrika fanakorontanana ilay fikasàna hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta teny amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Miisa 570 ireo zaza very ary naharaisan'ny pôlisy fitarainana tamin'iny taona 2022 lasa iny... ♦ Mbola tsy nisy aloha ny fanambarana ôfisialy amin'ny handefasana ireo fiara mifono vy vita alemana any Ukraine, aorian'ny fivorian'ny vondrona tandrefana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...