♦ Mihatra ny filazana loza manambana amin'ny fiakaran'ny rano eny amin'ny lemak'Antananarivo, araka ny fampahafantarana navoakan'ny BNGRC... ♦ Tafajoro ny Vovonana C-Lera, izay manohitra ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana misy eto amin'ny firenena. Efa niharan'ny antsojay sahady anefa ireo mpikambana, nialoha ny fampahafantarana ny vovonana teny Iavoloha... ♦ Nisitraka vola 334 tapitrisa Dolara avy amin'ny BAD sy 200 tapitrisa Dolara avy amin'ny FIDA i Madagasikara, nandritra ny dian'ny delegasiôna tarihin'ny Filoha Rajoelina Andry any Dakar...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...