♦ Fetin'i Masindahy Joany Bosco ny omaly 31 janoary, izy izay ray sy mpampianatra ny Tanora, nanorina ny fikambanana Saleziana Don Bosco... ♦ I Algérie sy Sénégal no hiatrika ny lalao famaranana amin'ny CHAN 2022. Resin'i Sénégal tamin'ny isa 01 noho tsy misy ny Barea tamin'ny lalao manasa-dalana alina... ♦ Tanatin'ny lalao CHAN 2022 iny, maromaro ny mpilalaon'i Barea, no nandresy lahatra ny tany ivelany ny fomba filalaovany baolina, ka nantsoin-dry zareo ho mpilalao any aminy. Isan'ny efa nahavita fifanarahana amin'izany i Koloina Razafindranaivo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...