♦ 9.200.000 isa mahery ny olona voasoratra anatin'ny lisitry ny mpifidy, hatramin'ny omaly. Mbola afaka manatona eny anivon'ny Fokontany, hatramin'ny volana jona, ireo izay tsy mbola tafiditra tanatin'ny listry ny mpifidy amin'izao fanavaozana tanteraka ataon'ny CENI izao... ♦ Anatin'ny fanadiovana ny sehatry ny fanondranana Lavanila any ivelany, dia nidina teny amin'ny Air France Cargo Ivato omaly ny teo anivon'ny Ministeran'y Varotra sy ny Fanjifàna, nitsirika ny kalitao sy ny fenitr'ireo vokatra Lavanila 8 taonina ho ahondrana... ♦ Tsy hisy fiforonana rivo-doza manodidina an'i Madagasikara ato anatin'ny 5 andro. Mety hisy hiforona anefa any amin'ny Ranomasimbe Idiana amin'ny faran'ny herinandro na ny fiandohan'ny herinandro ambony...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...