♦ Efa vonona amin'ny Sorona Masina rahampitso hametrahana ny Eveka vaovao Mgr Zygmunt Robaszkievitcz ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Nankalazaina tao Mahajanga ihany koa androany ny andro eran-tany faha-38 ho an'ny marary sy ireo mpikarakara azy... ♦ Maherin'ny 9.906.000 isa hatramin'ny omaly ireo olona tafiditra ao anatin'ny lisim-pifidianana araka ny antotanisa navoakan'ny CENI. Mihoatra ny 70% avokoa ny antotanisa ho an'ireo renivohim-paritany rehetra ankoatra ny eto Antananarivo... ♦ Nandroso hevitra hidirana anatin'ny tetezamita ny Vovonana Gasy Leo, aorian'ny fahataperan'ny fe-potoam-piasan'ny Filoham-pirenena ankehitriny ny volana janoary 2024. Tsy tomombana hoy izy ireo ny fanomanana ny fifidianana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...