♦ Mety ho fandraisana anjara farany ho an'ireo Minisitra sasany eo anivon'ny Governemanta, ny Filankevitry ny Minisitra teny Iavoloha omaly. Tombanana hisy fanovana governemanta ato ho ato, raha ny vaovao efa miparitaka amin'izao... ♦ Manambana hanao hetsika mafampana amin'izay ireo mpiasam-panjakana tsy nisitraka ny tambim-pandehanana hisotro ronono, nanomboka ny taona 2019. Misy 4000 any ho any izy ireo ankehitriny, no misedra izany olana izany... ♦ Hisokatra manomboka ny 1 marsa 2023 izao, ny taom-panjonoana makamba, manerana ny fari-dranomasin'i Madagasikara...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...